1 DIA namaly Bildada Sohita ka nanao hoe: 

2 Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, Manao fihavanana any amin'ny avo Izy. 

3 Azo isaina va ny miaiamilany? Ary fahazavan'iza no tsy ihoaran'ny Azy? [Na: Amin'iza no tsy iposahan'ny fahazavany?] 

4 Ary aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy? 

5 Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, Ary ny kintana aza tsy madio eo imasony; 

6 Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, Ary ny zanak'olombelona, izay olitra.
